Nanomboka niasa tamina lamikajy iray mampiasa mongoDB izaho. Mba hahazoako miasa amimn’io nefa dia ilaiko ny mahazo haingana ny firafitry ny hainkajy miasa ao @ mongoDB ka hahafahako mampiasa ireo.

Mba hahatsotra izany araka izay azo atao dia nampiasa ilay kojakoja atao hoe Variety izaho. Izy io dia mora ampiasaina ary mahafa-po tanteraka ny valiny omeny.

Ny fomba fampiasana azy dia alaina amin’ny siton-davitra ilay vondrona hainkajy variety.js. Rehefa azo izy io dia ampiasaina ao amin’ny efajoro fanomezana baiko :

Ampidirina eo izany ny anaran’ilay antotan’hainkajy. Ny valiny avokany kosa dia ireo rafitra miasa ao anatin’ilay hainkajy.

Izao dia fantatro bebe kokoa ireo hainkajy ampiasaiko @ asako.

PS: Tena sarotra ny manoratra momba ny solosaina @ fiteny malagasy 🙂 . Nahita ito vondrona ito izaho nindramako ireo teny nampiasaina : https://groups.google.com/forum/#!topic/soc.culture.malagasy/3AeFDLI7Uj8